click-here
   

Madagasikara - Ao Raha Gazety - Vaovao Malagasy

FIARAHA-MITANTANA-Manao pi-maso amin-dRajaonarimampianina i Jean Louis Robinson

Details

Miady fo mafy mba tsy ho diso anjara amin’ny fiaraha-mitantana ireo rafi- panjakan’ny Repoblika faha-IV koa i Jean Louis Robinson, kandidà resy tamin’ny fifidianana Filoham- pirenena farany teo. Ny tenany izay tsy mitsahatra manao pi-maso ny mba hisian’ny fiaraha-miasa eo aminy sy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina....

Read more...

FANENDRENA PRAIMINISITRA-Teren’ny Hcc hitady izay marimaritra iraisana ny Filoham-pirenena sy ny Mapar

Details

Mazava ny fanazavan-kevitra avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (Hcc) nivoaka omaly 17 febroary mikasika ny fandikàna ny andininy faha-54 ao amin’ ny Lalàm-panorenana momba ny fanendrena ny Praiminisitra.
« Ny fanolorana ny anaran’ny Praiminisitra dia anjaran’ny antoko na vondron’ antoko nijoro...

Read more...

ANY ANDAFY

Details

ATLETISMA – VIKINA MISY TEHINA-Nomontsanin’i Lavillenie ny zava-bita tsara indrindra
Nosongonan’i Renaud Lavillenie, atleta frantsay, tamin’ny sabotsy lasa teo, tany Ukraine, ny zava-bita tsara indrindra eran-tany teo amin’ny vikina misy tehina, notazonin’i Sergueï Bubka (Ukraine) tao anatin’ ny 21 taona....

Read more...

HAZAKAZAKA AN-TENDROMBOHITRA-Voahosotra ho tompondaka fanindroany i Fulgence sy Marina

Details

Taorian’ny efa naha tompondakan’i Madagasikara an’i Fulgence Rakotondrasoa, teo amin’ ny Cross Country (12 km), dia mbola azony ihany koa ny anaram-boninahitra teo amin’ny hazakazaka an-tendrombohitra 15 km, notontosaina tany Antsirabe, omaly. Sady ho solontena Malagasy amin’ny hazakazaka 10 km, hatao any Mayotte, no nahazo ny tapakila hiatrehana n...

Read more...

ATLETISMA – «TRAIL»-Atleta malagasy namoy ny ainy teo am-pahatongavana

Details

ATLETISMA – «TRAIL»-Atleta malagasy namoy ny ainy teo am-pahatongavanaNitrangana loza ny fifaninanam-pirenena ho an’ny Trail tany Antsirabe. Efa tonga teo amin’ny tsipika fahatongavana no nisedra olana i Harivola Flaviano, atletan’ny 3FB kalaza eo amin’ny dia an-tongotra, noho ny fijanonan’ny fo tampoka. Isan’ireo tonga faramparany tamin’ireo nandray anjara izy ka tsy dia...

Read more...

RUGBY – «GOLD TOP 8»-Norombahin’ny TFM Ankasina teny amin’ny Besetroka ny amboara

Details
Nandray amboara ny TFMA rehefa nandavo ny UAS Cheminot

Nandray amboara ny TFMA rehefa nandavo ny UAS Cheminot

Afa-bela. Herintaona no nanarenan’ny TFM Ankasina ny fahadisoany tamin’ny lalao famaranana nihaonan’izy ireo tamin’ny UAS Cheminot, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Lavon’izy ireo tamin’ny alalan’ny isa 25 no ho 17 teny...

Read more...

KITRA –FIFANINANANA AFRIKANINA-Samy raraka tamin’ny savaranonando ny ASSM sy ny Cnaps Sport

Details

1er tour dia samy tapitra ny dian’ny Malagasy teo amin’ ny fifaninanana afrikanina eo amin’ny taranja baolina kitra isan-tarika. Efa mahazatra, hoy ny sasany. Tsy dia nisy nantenaina firy, hoy ny hafa.
Nofaranan’ny ekipa mozambikanina Muçulmana ny lalan’ny Cnaps Sport teo amin’ny Champions League (0 no ho 1 tany Mozambika ary 0 sy 0 tetsy Mahama...

Read more...

ANDAVAMAMBA ANJEZIKA-Tetezana mampidi-doza, efa namono bevohoka sy olona roa hafa

Details

MIAINA AO ANATIN’NY AHIAHIM-PAHAFATESANA LAVA IREO MPONINA ETSY ANDAVAMAMBA ANJEZIKA. EFA MARO RAHATEO IREO NAMOY NY AINY TENY AN-TOERANA, VOKATRY NY FIANJERANA TAMIN’NY TETEZANA, NA NY FIANJERANA ANATY RANOM-POTAKA SY HONAHONA. MIANTSO VONJY IREO MPONINA, MBA TSY HIANDRY TOMBONTSOA POLITIKA LAVA VAO HOJERENA NY MOMBA AZY IREO…

Tetezana kely toy izao no ifaneraseran'ny mponina eny Andavamamba Anjezika

Tetezana kely toy

...

Read more...

FANENDRENA PRAIMINISITRA-Miantso an-dRajaonarimampianina sy Rajoelina hifanaraka ny Gps

Details

Mijoro ho mpanelanelana. Niantso ny hisian’ny fifanatonana sy fifampidinihana eo amin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny Filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina ireo depiote eo anivon’ny vondrona parle- mantera manokana (Gps). Ny fanendrena izay ho Praiminisitra sy ny ho firafitry ny governemanta...

Read more...

FOTO-KEVITRY NY LALAM-PANORENANA-Hanazava ny fanendrena Praiminisitra ny Hcc

Details

Ho fantatra anio ny marina mikasika ilay andininy faha-54 ao amin’ ny Lalàm-panorenana momba ny fahafahana manolotra anarana Praiminisitra. Raha samy mandroritra amin’izay mety aminy mikasika io andininy io ny mpanao politika hatreto dia hamaly ny fangataham-panazavana nataon’ny filohan’ny Filankevitra ambony tetezamita, ny...

Read more...

NOFON-KENA MITAM-PIHAVANANA-Nahazo ny fon’ny zanak’ Avaradrano ny Hvm

Details

Vory maro ireo zanak’Avarandrano na mpanao politika na olo-tsotra na sivily na miaramila, teny Antsofonondry-Sabotsy Namehana, afak’omaly. Nofon-kena mitam-pihavanana no nozarain’ny komity manohana an’i Hery Rajaonarimampianina, teny an-toerana. Olobe maro no niatrika ny lanonana. Isan’ireo tonga teny an-toerana ihany...

Read more...

FAHAZOANA NY MARO AN’ISA-Mirafitra tsikelikely ireo vovonana politika hanohitra ny Mapar eny Tsimbazaza

Details

Raikitra ny angaredona. Efa manomboka mirafitra tsikelikely mampivondrona ny heriny ireo solombavambahoaka ao anatina vondrona sy antoko politika nilaza ny fahavononany hanohana ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Ny sabotsy hariva lasa teo no nivory teny Vontovorona nampitovy tadin-dokanga...

Read more...

FANAFIHANA MITAM-PIADIANA-Mpivarotra roa voaroba Ar 1 300 000

Details

Toeram-pivarotana roa indray no voaroba vola mitentina Ar. 1.300.000 teny Ankadindramamy, ny alin’ny sabotsy nanodidina, ny tamin’ny 9 ora. Nitondra basy “Kalachnicov“ ireo jiolahy miisa dimy nanao ny fanafihana.
«Mpivarotra hani-masaka no norobain’ireo olon-dratsy taloha ka very tamin’izany ny vola  3 hetsy ariary. Rehefa v...

Read more...

ANTSIRABE II-Voaroba ny Ar 12 tapitrisa olona telo naratra

Details

Olona telo no naratra nandritra ny fanafihana nataona jiolahy fito, nirongo basy “kalachnikov“ telo, tany amin’ny fokontanin’i Soanindrariny, distrikan’ Antsirabe II tamin’ny misasak’alin’ny 14 febroary. Tokan-trano roa no norobain’ireo olon-dratsy ka vola mitentina Ar 12 tapitrisa mahery no very tam...

Read more...

ANTANIMENA-Sinoa voaroba 40 tapitrisa ariary tetsy Antanimena

Details

Sinoa mivady manana trano fisakafoanana Music, etsy Antanimena, no norobain’ny jiolahy nitondra basy kalachnikov sy pistolet automatique, ny sabotsy hariva teo.
Nodoran’ireo olon-dratsy tamin’ny fitaovana mamoaka herinaratra mahery vaika ilay Sinoa lahy 57 taona ary tsy nahatsiaro tena mihitsy vokatr’izany. Nataony toy...

Read more...

LALAO -Mpanjifa solika nahazo loka goavana tetsy Ankorondrano

Details

Ny zoma lasa teo no nanatanteraka ny lanonana fizaràna loka ho an’ireo mpanjifany tsara vintana ny kaompania mpitsinjara solika Galana, tetsy amin’ ny Ibis Ankorondrano. Loka goavana natolotra an’ i Assanaly Roid, avy any Mahajanga, ny solika maimaim-poana mandritra ny herintaona iantohan’ny kaompania.
Môtô scooter vaovao kosa no azon’ny mpanjifa i...

Read more...

TOBY FIANTSONANA VAOVAO-Sonia sisa andrasana dia hanomboka ny asa eny Ambohijanaka

Details

Miroso ny asa! Efa hita ilay tany hametrahana ilay tobim-piantsonana nasionaly vaovao eny Ambohijanaka, solon’ilay eny amin’ny Fasan’ny karàna Ankadimba-hoaka, araka ny tatitra nomen’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. « Mbola tsy fantatra ny daty marina hanombohan’ny asa. Eo am-pamolavolana ny f...

Read more...

LALANA AMBODIMANGA -Hanampy amin’ny asa fanam- boarana ny governemanta

Details

Mihalalina andro aman’alina ny lalana etsy amin’ny kihon-dalana Ambodimanga Besarety mihazo an’i Soavinandriana sy ny hôpitaly iny. Nidina nijery ifotony ny olana teny an-toerana ny solontenan’ny minisiteran’ ny Asa vaventy niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua), ny sabotsy lasa teo, niara-nikaon-doha amin’ ny fomba hanarenana ha...

Read more...

FANELINGELENANA FIFAMOIVOIZANA -Hahiboka hatramin’ny folo andro ireo sarety tsy manara-dalàna

Details

Izay angamba vao tena hihatra ny sazy manoloana ny gaboraraka ataon’ireo mpitondra sarety sy posy manerana ny arabe eto Antananarivo satria hampidirina trano fihibohana manomboka anio, ireo sarety sy posiposy mpitaona entana tsy manaraka ny lalànan’ny fivezivezena eto an-drenivohitra. Telo hatramin’ny folo andro ny faharetan’ny fijanonana any amin’...

Read more...

RUGBY – «GOLD TOP 8»-Hangotraka ny lalao famaranan’ ny Besetroka ny TFM Ankasina

Details

Hiverina hihaona indray eo amin’ny lalao famaranan’ ny fiadiana ny ho tompon- dakan’i Madagasikara ho an’ny taranja baolina lavalava diviziona voalohany elita voalohany ny TFM Ankasina sy ny Besetroka. Efa nifanandrina teo amin’ io dingana io ny roa tonta tamin’ny taon-dasa, ka nampivoaka ho tompondaka ny e...

Read more...

HAZAKAZAKA AN-TENDROMBOHITRA-Misalasala amin’ny halavirana i Prosper noho ny tosi-drany

Details

«Miankina amin’ny toe-pahasalamako ny safidiko amin’izay mety hifaninanana eo amin’ny hazakazaka amin’ny alahady (ndlr: rahampitso) any Antsirabe», hoy i Prosper Randriasoalaza, atleta kalaza eo amin’ny hazakazaka an-tendrombohitra. Tany am-piandohana dia efa nanomana ny halavirana 50 km izy, saingy taorian’ny f...

Read more...

KITRA AFRIKANINA-Miandrandra ny fanampian’i Mahamasina ireo solontenantsika

Details

«Miantso ireo mpankafy izahay hanohana ny AS Saint-Michel Elgeco Plus amin’izao hiarovanay ny voninahitr’ i Madagasikara izao», hoy i Raux Auguste, mpanazatra ny AS Saint-Michel Elgeco Plus. «Nahoana no afaka mandresy 2 no ho 1 izy ireo any amin’ny taniny? Inona no tsy tokony hahavintantsika izany ihany koa etsy Mahamasina rehefa...

Read more...

FEDERASIONA MALAGASIN’NY KITRA-Kandidà iray ihany no sahy hiatrika an’i Ahmad amin’ny fifidianana

Details
Kandida dimy no nifaninana tamin’i Ahmad, tany Fianarantsoa tamin’ny avrily 2010

Kandida dimy no nifaninana tamin’i Ahmad, tany Fianarantsoa tamin’ny avrily 2010

Kandidà roa, hatramin’ny omaly hariva, no nametraka ny filatsahan-kofidiany ho filohan’ny federasiona malagasin’ ny taranja baolina kitra. Ny filoha am-perinasa, Ahmad, ny iray, ary i Max Fabien Olivier Andrianirina, fantatra kokoa eo amin’ ny sehatry ny fiarahamonim- p...

Read more...

ELA TSY HITA-Hiverina an-tsehatra indray ny tarika Rebika

Details
ELA TSY HITA-Hiverina an-tsehatra indray ny tarika Rebika

Eny amin’ny SK Melody no ahitana indray ny tarika Rebika

Mpanakanto nanana ny lazany ary mbola tsy lefy laza. Rehefa tsy tazana nandritra ny fotoana naharitra, dia hiverina an-tsehatra indray ny tarika Rebika ka hihaona amin’ireo mpankafy azy, ny sabotsy  15 febroary izao eny amin’ny SK Melody Mandriambero Ambohidratrimo, manomboka...

Read more...

ANDRON’NY SEKOLY-Nanome kojakojam-pianarana  sy solosaina  ny Orange

Details

Tao anatin’ny fanamarihana ny andron’ny sekoly, dia nanolotra kojakojam-pianarana ho an’ny mpianatra sy solosaina ho an’ny sekoly ny Orange Madagascar tamin’ny alalan’ny fikambanana orange Solidarité Madagascar. Ireo ankizy sahirana no niantefan’ny fanampiana ka ao anatin’izany ireo ankizy beazin&#821...

Read more...

LALAM-PIRENENA-Arabe manodidina ny 15 000 km isan-taona no mila fanamboarana

Details

Sakana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekaren’ny firenena malagasy ny fahasimban’ny lalana  ankehitriny. Tsy ny eto an-drenivohitra irery ihany fa efa mikisaka ny fahapotehana, ary mipaka amin’ny arabe maro manerana ny Nosy.
«Raha ny tokony ho izy dia lalam-pirenena 15 000 kilometatra isan-taona no tokony tsy ho tapaka...

Read more...

FOMBA AMAM-PANAO-Mandalo sedra maro ny zanak’andriana Antanala vao tonga Ampanjaka

Details

Toy ny ankamaroan’ireo foko eto Mada- gasikara, dia manana ireo fomba amam-panaony ihany koa ny Foko Antanala. Nanolotra famelabelarana momba izany, teny amin’ny Foibe nasionalin’ny Trano Kolotoraly Malagasy, teny Ambohimangakely, omaly, ny fikambanana zanak’Antanala na ny Zanta. Nisongadina tamin’izany fa dingana sy...

Read more...

NIAINA TAMIN’NY FIHAFIANA-Niady mafy ho an’ny «fanjakan’ ny madinika» i Solofo José

Details

Noho ny fiainana niainany hatramin’ny fahakely dia tsy nanadino ary niady hatrany ny fanomezana anjara tandrify ny vahoaka madinika Rakotosolofo Joseph na Solofo José. Hita taratra izany na teo amin’ny asa sorany na teo amin’ny fiainany andavan’andro.

Olona tsy mba tia sehoseho i Solofo José

Olona tsy mba tia sehoseho i Solofo José

Zanaka mpandrafitra....

Read more...

FANDROAHANA SY FAMERENAN-TAONA-Nolavin’ny Filankevi-panjakana ny fitorian’ireo mpianatry ny Enmg sivy

Details
Hentitra ny Filankevi-panjakana fa tsy maintsy ampiharina ny didy navoakan’ny governemanta

Hentitra ny Filankevi-panjakana fa tsy maintsy ampiharina ny didy navoakan’ny governemanta

Nolavin’ny Filankevi-panjakana ny fitorian’ ireo mpianatra ho mpitsara miisa sivy izay nitaky ny fampiatoana ny fampiharana ilay didim-panjakana navoakan’ny governemanta mamaritra ny fitsipika vaovao mifehy ny Sekoly ambony manofana mpitsara...

Read more...

FANAZAVANA LALàna-Tsy mbola mety miloa-bava ny Hcc

Details

Tsy mbola misy valiny hatreto ny fangatahan’ny Filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (Cst), ny jeneraly Rasolosoa Dolin ny hanazavan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (Hcc) ny hevitry ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàm- panorenana mikasika ny fanendrena ny Praiminisitra. Raha ny nambaran’i H...

Read more...

Fivorian’ny Antenimierampirenena-Efa nofandrihina ny hôtely 135 ipetrahan’ireo depiote

Details

Vita omaly ny famandrihana  ireo hôtely misy efitra 135 hipetrahan’ireo depiote hiatrika ny fivoriana manokana eto an-drenivohitra manomboka ny talata 18 febroary izao. Ankoatra ny saran-dalan’ireo solombavambahoaka avy any amin’ny faritra dia tsy maintsy iantohana ihany koa ny trano ipetrahan’izy ireo. Ireo depiote 12 avy e...

Read more...

HEVITRY NY SEFAFI-« Tokony hazava amin’izay hoe iza no mpanohitra sy mpanohana »

Details

Raha ny fanehoan-kevitr’ ireo mpikambana eo anivon’ ny Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena (Sefafi) dia tokony hofaritana mazava mandritra ny fivorian’ny Antenimieram- pirenena voalohany,  hotanterahina ny talata 18 febroary, izao,  hoe iza marina ireo solombavam- bahoaka maro an’isa sy ireo solombavambahoaka m...

Read more...

VOKA-PIFIDIANAN’NY CES-Mbola misy depiote hitaky ny famerenana ny fanisam-bato

Details

Tsy manaiky resy. Loharanom-baovao iray no naha- fantarana fa mbola misy amin’ireo solombavambahoaka sasany tsy lany tamin’ny fifidianana notanterahina ny 20 desambra teo no hametraka fitarainana eo anivon’ny Fitsarana manokana
misahana ny fifidianana (Ces) indray. Araka ny fantatra dia mifototra amin’ny fitakiana ny...

Read more...

Bao tsy mivily-TRANOM-BAHINY

Details

Voatery handaniana vola an-tapitrisany maro indray ireo depiote avy amina faritra maro, tonga hanatrika ny fivoriambe tsy ara-potoanan’izy ireo manomboka ny talata izao. Tsy maintsy hapetraka amina hôtely mantsy ireo depiote voafidy noho ny fahasimban’ny trano natokana ho fivantanan’ireo avy lavitra, eny Tsimbazaza....

Read more...

Raha…RAHA-Ala henatry ny tsy afa-panadinana…

Details

Tokony hitana ny sain’ny maro ny zava-nitranga tetsy anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy mpiraki- draharaha (Enmg), vaovao nivoaka momba ireo mpiofana voaroaka sy voatery mamerin-taona noho ny naoty ratsy azon’izy ireo nandritra ny fanadinana. Noheverina ho tapitra tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny vondron’ny mpampianatra sy ny...

Read more...

HAFETSIFETSENA -Olona efatra nisoloky ho mpivarotra menaka bibilava

Details

Saron’ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika faharoa, etsy Anosy, ny alakamisy antoandro teo,  teny Ankadimbahoaka ny olona efatra mianadahy nisoloky olona nilaza ho manana menaka azo avy amin’ny bibilava.
Mpivarotra iray teny Anosizato no efa very Ar 2 tapitrisa, ny 3 febroary teo vokatr’ity fisolokiana hafakely ity....

Read more...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA-Lehilahy voadonan’ny fiara nitondra zandary teny 67 Ha

Details

Lehilahy iray manodidina ny 45 taona no maty voadonan’ ny fiara nitondra zandary teny amin’ny 67 ha, ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Avy eny amin’ny borigadin’Ambohimangakely ireo zandary no nandeha fiara “Mazda“, nisambotra olona teny Andohatapenaka.
«Tsy nanaraka ny lalana tokony haleha io fiara...

Read more...

TONTOLON’NY ASA-Mitaky fananganana minisitera iray ireo mpanara-maso ny asa

Details

4%-n’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Asam-panjakana ihany no natokana ho fampandehanan-draharaha eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fananana asa, raha ny tatitra nataon’ireo mpanara-maso ny asa omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Asam-panjakana, eny 67 ha. Mitarika tsy fahafahana mijery ny fanajana ny...

Read more...

VATSIM-PIANARANA MAKANY INDE-An-jatony ireo mpianatra malagasy maniry ny ho any Inde

Details

Nahitam-bokany. Malagasy maherin’ny 600 no tonga nitsidika ny hetsika “Vitrine de l’Inde“ nanomboka omaly, tetsy amin’ny Hotel Ibis, Alarobia. «Mpianatra avokoa ny 400 tamin’ireo mpitsidika. Nibosesika ireo olona tonga haka fanampim-panazavana mikasika ireo vatsim-pianarana ho an’ ireo mpiasa sy mpianatra», hoy ny sera...

Read more...

FETIN’NY MPIFANKATIA-Ny lehilahy no betsaka nanolotra fanomezana ho an’ny olon-tiany

Details

Ny tsenan’ny voninkazo raozy no isan’ny nandeha indrindra tamin’ ity fetin’ny mpifankatia ity. Ny lehilahy no maro an’isa amin’ireo mpividy izany. «Tsy latsaky ny 40 ny lehilahy efa tonga nividy raozy teto aminay, ho an’ny tapak’andro maraina fotsiny. 1 000 kosa ny kaomandy voarainay ho amin’ny...

Read more...

ONIVERSITEN’ANTANANARIVO-Hanatsarana fotodrafitrasa ny fampiakarana ny saram- pisoratana anarana

Details

Hisy fiantraikany tsara ho an’ireo mpianatry ny Oniversiten’Antananarivo ny fampiakarana ny saram-pisoratana anarana. Nanambara ireo tompon’andrai-kitry ny Oniversite fa mizara efatra mazava tsara ireo fanatsarana ireo.
“Isan’izany ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa, toy ny laboratoara ny fanatsarana ireo toeram-pitsaboana m...

Read more...

TAZO MAHERY AO TOAMASINA-Milaza ho mahafehy ny fihanaky ny aretina ireo mpitsabo

Details
TAZO MAHERY AO TOAMASINA-Milaza ho mahafehy ny fihanaky ny aretina ireo mpitsabo

Tao anatin’ny andro maromaro izay no nampihanaka ny valanaretina hafahafa tany Toamasina

Aretina hafahafa, tsy fantatra mazava nefa mamindra amin’olona maro. Herinandro maromaro izao no nahitana olona maro voan’ ny aretina hafahafa tao Toamasina. «Aretina efa mpitranga izy io. Manomboka ny volana desambra ka hatramin’ny volana...

Read more...

KITRA – «LIGUE DES CHAMPIONS»-Hampiasa tapakila elektronika ny Cnaps Sport

Details
Hisorohana ny hosika no antony nanaovana ny tapakila elektronika

Hisorohana ny hosika no antony nanaovana ny tapakila elektronika

Hiova tsy toy ny mahazatra. Tapa-kevitra ny hampiasa tapakila elektronika ny klioban’ ny Cnaps Sport amin’ny lalao savaranonando miverina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ ny baolina kitra. Hialana amin’ny mety ho hosoka mateti-...

Read more...

TENISY – AFRIKANINA-Nahazo «Wild-cards» ihany i Randy sy Andritoavina

Details
TENISY – AFRIKANINA-Nahazo «Wild-cards» ihany i Randy sy Andritoavina

Randy Randrianasoloson isany hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika

Nankatoavin’ny federasiona iraisam-pirenena ho an’ ny taranja tenisy ny fangatahana fanasana manokana na «Wild-cards», nataon’ny federasiona malagasy, ho an’i Randy Randrianasoloson sy Andritoavina Ratsimandresy, hiatrehana ny fiadiana ny ho t...

Read more...

FANABEAZANA SY ALA VOLY-Nampianarina ny famokarana bisky ny mpianatra

Details

Ao anatin’ilay tetikasa hiarahan’ny fanabeazana sy fialam-boly «Bisky, Mizara fitia», nampianarina ny fomba famokarana bisky ny mpianatra ao amin’ny EPP Ambohitsoa sy ny EPP Amboditsiry. Omaly no tonga teny an-toerana ny solontenan’ny orinasa JB, tompomarika amin’ny tetikasa. «Maro ny sekoly no mangataka aminay hitsidi...

Read more...

HERINANDRON’NY SEKOLY-Sembana 150 nifaninana teny amin’ny «Orchidée Blanche»

Details

Nifamotoana teny amin’ny Orchidée Blanche Andrononobe, omaly, ireo mpianatra avy tamin’ny ivon-toerana dimy mikarakara olona manana fahasembanana nankalaza ny herinandron’ny sekoly. Isan’ireny ny Avotra, Creevie, Esperance ary ny IMF sy ny Orchidée Blanche. Fifaninanana tsipy kanetibe sy fampiasam-batana ary dihy no n...

Read more...

ANY ANDAFIN’NY RIAKA- KITRA – AMBOARAN’I ESPANA

Details

Hihaona fanimpitony amin’ny famaranana ny Real Madrid sy Barça

ANY ANDAFIN’NY RIAKA- KITRA – AMBOARAN’I ESPANA
Samy tafita hiatrika ny lalao famaranana ho an’ny fiadiana ny amboaran’i Espana eo amin’ny baolina kitra na ny «Copa del Rey» ny Real Madrid sy ny FC Barcelone amin’ny 19 avrily ho avy izao any Mestalla. Ny talata alina teo dia tafavoaka ho mpandresy t...

Read more...

KITRA – AMBOARAN’NY CAF-Hamaly faty ny Saint Michel United ny AS Saint Michel

Details
Miantso ny fanampian’ny mpijery ny mpitantana ny AS Saint-Michel

Miantso ny fanampian’ny mpijery ny mpitantana ny AS Saint-Michel

«Nandresy anay ny Saint Michel United tany Seychelles. Anjaranay indray ny mandresy azy ireo, fara- faharatsiny mitovy amin’ ny isa tany an-toerana», hoy i Raux Auguste, mpanazatra ny AS Saint Michel Elgeco Plus. Hiatrika ny lalao miverina amin’ny savaranonando eo a...

Read more...

FARAN’NY HERINANDRO HO AN’NY MPIFAKANTIA

Details

CCESCA – ANTANIMENA-«Fe sy boky mivelatra ve » hatolotr’i Françis Turbo sy ny namany
Efa tapitra ny tapakila ho an’ny seho voalohany atolotr’ i Françis Turbo sy ny namany anio. Mbola misy vitsivitsy kosa anefa izany ho an’ny alahady 16 febroary ka hanolorany ilay fampisehoana «Fe sy boky mivelatra ve  ». Hitovy fa tsy ho sah...

Read more...

VERY OLOMANGA-Na hentitra aza ao anaty tantara, be vazivazy sy tia mihanihany ihany koa i Solofo José

Details

Namoy olomanga ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry omaly teo amin’ny faha-67 taonany Rakotosolofo Joseph, fantatra eo amin’ ny tontolon’ny zavakanto amin’ny solon’anarana hoe Solofo José. Avy niatrika fitsaboana tetsy amin’ny Hopitaly Befelatanana izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
Nan...

Read more...

   
© WORLD NEWS